Skip Navigation

National Geographic Society Este programa se distribuye en los Estados Unidos y Canadá por National Geographic y EHD. [obtenga más información]

DVD ilustrado plurilingüe

La biología del desarrollo prenatal




NY FIVOARAN'NY ZAZA ANY AMBOAKA

.Malagasy


 

Descargar versión en formato PDF  ¿Qué es PDF?
 

Capítulo 41   4 a 5 meses (16 a 20 semanas): respuesta al estrés, vérnix caseoso, ritmos circadianos

Amin'ny herinandro faha-16, ny fomba izay mitarika fampidirana fanjaitra ao amin'ny kibon'ny foetus dia mitondra valina stress hormonal ary mamoaka noradrenaline, na norepinephrine, ao anaty fikorian'drà. Ny zaza vao teraka sy ny olona matotra dia samy mitovy fihetsika rehefa eo anatrehan'ny procedures vahiny.

Ao amin'ny système respiratoire dia efa ho tanteraka izao ny hazo bronchiale.

Zavatra fotsy miaro atao hoe vernix caseosa, izao no manodidina ny foetus. Ny vernix dia miaro ny hoditra amin'ny zavatra manelingelina avy amin'ny fluide amniotique.

Manomboka ny herinandro faha-19, ny fihetsiky ny foetus, ny fomba fiainana, ary ny fitempon'ny fo dia manaraka Cycles izay miseho isan'andro atao hoe rythmes circadians.

Capítulo 42   6 a 7 meses (24 a 28 semanas): reflejo de parpadeo; las pupilas responden a la luz; olfato y gusto

Afaka herinandro 20 ny cochlea, ilay organe fandrenesana dia efa nahatratra ny halehibeny ao amin'ny sofina intérieure izay efa miforona tanteraka. Manomboka izao dia hamaly feo samy hafa bebe kokoa ilay foetus.

Ny volo dia manomboka maniry eo amin'ny loha.

Efa nitranga sy vonona daholo ny sosona amin'ny hoditra, ao anatin'izany ny follicules sy glandes-n'ny volo.

Amin'ny herinandro 21 ka hatramin'ny 22 aorian'ny fampiraisana, efa afaka miaina rivotra ny avokavoka. Io fotoana io dia efa azo ho lazaina fa viable ilay foetus satria raha teraka dia afaka miaina ivelan'ny kibo ny foetus sasany. Fitadiavana maro teo amin'ny kianjan'ny fitsaboana dia nahatonga ho tanteraka ny hitànana ny fiainan'ny zazakely teraka alohan'ny fotoana.